/**/

Monday, September 12, 2005

Souvenir | Tromperie

Ireo ditra natao, ireo vazontsika,
Dia mbola tadidiko hatramin’izao.
Ny angolangola, ianao misariaka,
Tsy afaka anaty ahatsiarovako anao.

Izay hira izay no atolotro anao,
Ho zary veloma sy faran'adidy.
F’aleo aho hisinda, ho fo vaovao,
Hiova fitia, hamafa tadidy.

Ireo teninao mamy toa fary
Zary nanodina ny hambom-poko.
Hay izy ireny teny marary
Hay izy ireny sakafo maloto.

Nilaza ianao inty aho raiso
Anjakao ny vatako ho anao.
Fanatitra sady no sady efa lo
No sisa anjarako navelanao.

Tso-drano foana, tsy lolom-po,
Dia mahereza, dia bon courage.
Ho sambatra ianao, hiadana, ho to,
Ireo faniriana fa ny ahy fomba fiady.

Diso aho, diso natoky fitia.
Hay va re, hay va re ka dia tromperie!

6 Comments:

At 9:12 AM, Anonymous Anonymous said...

c'est de toi?

 
At 9:18 AM, Blogger Vaomiera said...

Ce sont les paroles d'une chanson que j'aurai pu ecrire moi-meme...

 
At 1:16 AM, Blogger Vaomiera said...

Ia! gitara sy afon-dasy sisa de masikita sy saosy voanjo...

 
At 5:43 PM, Blogger sipakv said...

hay va re ka dia tromperie ...
sento sento tonga eny amoron-dranomasina

 
At 12:26 AM, Blogger Vaomiera said...

Mafy ilay nilaozan'olon-tiana koahh! Tononkalo sisa no analana azy...

 
At 8:13 AM, Anonymous Anonymous said...

je voulais juste dire que je suis fan de cette chanson ainsi que des autres. J'espère que tu les publieras bientôt sur ton blog. C'est dommage que l'on ne puisse pas avoir le son!!!!!!!!!!!

 

Post a Comment

<< Home